VOIE RAPIDE TOAMASINA : NITSIDIKA NY ASA NY MINISITRY NY ASA VAVENTY.

Nitsidika ny asa fanamboarana ny lalana “voie rapide” mampitohy ny RN2 sy ny Seranan-tsambon’i Toamasina androany maraina ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa RAFIDISON Richard Théodore. Tafiditra ao anatin’ny fanarahana akaiky atao amin’ireo tetikasa lehiben’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ity fitsidihana ity, mba hiantohana ny kalitao sy ny fandrosoan’ny asa, araka ny tanjona napetraka.
Tetikasa goavana ity lalana ity, natao indrindra hamahana ny fitohanan’ny fiara vaventy eny amin’ny Boulevard d’Ivondro sy hanamora ny fidirana sy fivoahana ao amin’ny Seranana, izay fototra iray lehibe iankinan’ny toekarena nasionaly. Mirindra tsara ny fandrosoan’ny asa, mampiseho fa manana fahavononana hanatanteraka ny andraikiny ny fanjakana. Notronin’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana mpisolo toerana, Andriamatoa Andry Rakotovao, ny Minisitry ny Asa Vaventy, mariky ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny sehatra nasionaly sy eo an-toerana amin’ny fanatanterahana ity tetikasa stratejika ity.