TETEZANA MANDRANOFOTSY : VITA TANTERAKA NY ASA FANARENANA.

Vita tanteraka ny asa fanarenana ny tetezan’i Mandranofotsy, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Talata Ampano, Distrikan’i Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony. Mirefy 115 metatra ity tetezana ity ary mampifandray mivantana ny tanànan’i Talata Ampano sy Andoharanomaintso.
Tafiditra anatin’ireo fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Atoa Andry RAJOELINA ity asa ity, ho fampandrosoana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa fototra ho an’ny vahoaka. Ny orinasa EHS no nahazo ny tolo-barotra sy nanatanteraka ny asa izay vatsian’ny Fonds Routier.
Nanara-maso akaiky ny fanantanterahana ny asa ny DRTP Matsiatra Ambony, izay niantoka ny kalitao sy ny fanarahan-dalàna tamin’ny asa natao.
Afaka mivezivezy ara-dalàna sy am-pilaminana indray ankehitriny ireo mponina amin’ireo faritra voakasika.