RN6 ANTSOHIHY – AMBANJA : MANOMBOKA NY FANDRINDRANA ARA-POTOANA NY ASA.

12/06/2025
RN6 ANTSOHIHY – AMBANJA

Tontosa ny Talata 10 Jona 2025 teo ny fivoriana isam-bolana voalohany momba ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina (RN6), andiany fahatelo, eo anelanelan’Antsohihy sy Ambanja, izay tanterahin’ny orinasa COLAS. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny DRTP Sofia sy Diana ary ireo iraka mpanaramaso.

Mandroso ny asa amin'izao fotoana izao, ary isan'ny asa efa vita ny fitsapana mialoha (planche d’essai) mba hijerena ny kalitaon’ny tany fameno sy ny soson-tany fototra. Natomboka ihany koa ny fandrarahana fantsona simenitra vita mialoha (dalot préfabriqué), entina mitondra rano manaraka ny sisin-dalana. Vita tanteraka ny fandrefesana sy fanadihadiana ny endriky ny tany (levé topographique) eo anelanelan’ny PK 365 Mahitsihazo sy PK 460 Ambanja. Amin’ny 23 Jona no vinavinaina ho vita ny fametrahana sy fandraisana ny base vie. Mitohy ankehitriny ny asa amin’ny toerana efatra ao Ambanja. Nohamafisina nandritra ny fivoriana ny filàna hanafaingana ny asa sy hitazonana ny fivezivezen’ny fiara, indrindra ho fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra.