LALAM-BE MIGODANA ANTANANARIVO-TOAMASINA : HAMAFISINA NY PAIKADY HANAFAINGANANA NY ASA

Nidina ifotony, toy ny fanaony isam-bolana, teny amin’ny lalam-be migodana mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa Richard Théodore RAFIDISON, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ireo olombohafidy.
Tafiditra ao anatin’ny paikady fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny tetikasa ity fidinana an-kianja ity, ary tanjona amin’izany ny hahavitana ny 80 km voalohany alohan’ny faran’ny taona.
Mandoroso ny asa amin’ny ankapobeny. Hita fa nisy fandrosoana lehibe tao anaty volana vitsivitsy izay, ary efa mahatratra 50km ny lalana vita fandravonana na terrassement.
Nampahatsiahivina indray tamin’ny orinasa Samcrete ny tokony hanamafisana ny tahan’ny asa. Ity farany ity izay efa nanaraka ny toromarika navoaka nandritra ireo fitsidihana farany, ka nanomboka nampiditra mpaninjara asa (sous-traitants) izay efa misehatra eny an-toerana ankehitriny.
Manoloana ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena, Atoa Andry RAJOELINA, amin’ny famitana ny 8 km voalohany mampitohy an’i Ambodifasina sy Ambohimanga alohan’ny fivoriambe an-tampony SADC hotanterahina eto Madagasikara amin’ny volana aogositra ho avy izao, dia nanome baiko mazava ny Minisitra ny hanoizana ny asa hatramin’ny alina sy ny hanatsarana ny fandrindrana, ary ny fiatrehana haingana ireo olana rehetra eny an-toerana.
Marihina fa efa vita ny « terrassement », ary efa mifandray ny lalana Tsarasaotra hatrany Ambohimanga.
Tsy maintsy tohizana hatrany ny ezaka sy ny fandraisana andraikitra amin’ny sehatra rehetra, satria fotodrafitr'asa goavana indrindra eto amin’ny Nosy ity tetikasa ity.