FANDRINDRANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY ASA VAVENTY SY NY JIRAMA

30/04/2025
photo

Ho fandrindrana ny fiaraha-miasa, nandray ireo tompon'andraikitra avy amin’ny Orinasa JIRAMA, notarihin'ny Tale Jeneraliny Ron WEISS, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fahavononan' ny Orinasa JIRAMA hanaja ny andraikiny amin’ny fanarenana avy hatrany ny lalana raha misy asa fanamboarana fantsona mandalo amin’ny arabe.

Vonona handray an-tanana haingana sy hifampiresaka amin’ny fangatahana alalana amin’ny fanatanterahana ireo asa kosa ny Ministeran'ny Asa Vaventy.

Tanjona amin’izao fiaraha-miasa hentitra sy mazava izao ny hanatsarana ny kalitaon’ny foto-drafitr'asa sy ny hanamora ny fanomezana tolotra ho an’ny vahoaka.

Ilaina ny fifampiresahana maharitra sy mivantana toy izao, ho fanatsarana ny asa eny ifotony sy ho tombontsoan’ny daholobe, hoy ny roa tonta.

#MTP #MTPmiasahoanao #Jirama #FiarahaMiasa