AMBOSITRA : FANATSARANA NY LALANA ANTAMPON-TANANA HO FANOHIZANA NY FAMPANDROSOANA IFOTONY.

20/06/2025
FANATSARANA NY LALANA ANTAMPON-TANANA HO FANOHIZANA NY FAMPANDROSOANA IFOTONY.

Ao anatin’ny fanaraha-maso ny asa fanarenana ny RN7 nanomboka omaly Alakamisy 19 Jona 2025, dia nitohy tany Ambositra ny dian’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, androany. Ao anatin’ny politikam-panjakana hanatsarana ny lalam-pirenena sy an-tanàn-dehibe, dia vinavinaina ho amboarina ny lalana mirefy 2,6 km ao antampon-tanànan’Ambositra, renivohitry ny Faritra Amoron’i Mania. Ireo lalan-kely mampifandray ny fokontany sy manamora ny fifamoivoizana no hojerena manokana, ka hatao amin’ny endrika tara, béton, na pavé arakaraka filàna.

 

Ny Fonds Routier no mamatsy vola ny tetikasa, ary tanjona ny hanamafisana ny fotodrafitrasa sy ny fiompana ara-toekarena sy ara-pizahantany ao an-toerana, indrindra hoan’ny Asa tanana mampiavaka an’Ambositra. Hanomboka amin’ny volana Jolay ny asa, ho fanatanterahana ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena Atoa Andry RAJOELINA. Faly mahita ny fanatanterahana tsikelikely ny fampandrosoana ifotony ny mponina sy ireo olom-boafidy eny antoerana, ary manantena vokatra hita maso mialohan’ny faran’ny taona.